FANASANA FOTOAM-PIVAVAHANA FFKM-FRANTSA

FANASANA FOTOAM-PIVAVAHANA FFKM-FRANTSA

 » Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo »

Efesiana 4 : 4

Toy ny fanao isan-taona dia manentana ny kristianina malagasy rehetra hanatrika ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana karakarain’ny FFKM-Frantsa izay hatao ao anatin’ny herinandron’ny fiaraha-mivavaka eran-tany ho amin’ny firaisan’ny mino kristiana, izay fotoana ihany koa hiombonantsika hitondrana am-bavaka ny Firenena Malagasy.

Andro : Alahady 25 janoary 2026 amin’ny 10 ora sy sasany maraina (10H30)
Toerana : Eglise de la Rédemption
16, rue Chauchat – 75009 PARIS
Métro : Richelieu Drouot (M9) na Le Peletier (M8)

Avy amin’ireo Raiamandreny am-panahy FFKM-FRANTSA
Rév. Nicolas RAZAFINDRATSIMA
Rév. Père Benjamin RABEMANANTSOA
Rév. Dr Seth RASOLONDRAIBE

Les commentaires sont clos.