Archives de
Category: Evenement

Evènements

Sortie le 21/04/2025

Sortie le 21/04/2025

Alatsinainy 21 Aprily : Lundi de Pâques
Fitsangatsanganan’ny fiangonana manomboka amin’ny 11 ora atoandro
Toerana : any an-tokantranon’i Miandry sy Zoly Rafanomezana
13 ter, route de la Roche
91290 Arpajon

Fandaminana amin’ny sakafo :
Samy mitondra sakafo sy rano fisotro sahaza azy ny isam-pianakaviana hifampizarana eny an-toerana
Manentana antsika ho tonga maro satria fotoana hiaraha-mifaly sy hiaraha-mikorana ho fanamafisana hatrany ny fifankatiavana izany

Alim-bavaka 14/03/2025

Alim-bavaka 14/03/2025

Alim-bavaka

Ny alim-bavaky ny fiangonana dia hotanterahana ny Zoma 14 Martsa amin’ny 8 ora hariva ao amin’ny efi-trano ambany rihana ao Vincennes.

Fotoana izay ihaonantsika amin’i Tompo.

Hivavahana Aminy ary hametrahana ny fiainantsika sy ny fiangonana ho eo am-pela-tanany.

Tongava maro !

Toerana : 12 rue monmory, Vincennes

Best nature location with Mountain lake landscape vector illustration
Alim-bavaka 10/01/2025

Alim-bavaka 10/01/2025

Alim-bavaka

 » Fa na aiza na aiza no hiangonany roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho. » Matio 18 : 20
Manasa antsika rehetra ry havana, hanatrika ny alim-bavaky ny fiangonana, izay hotanterahana ny Zoma 10 janvier 2025 amin’ny 8 ora alina, 20 rue Pèrces Neiges Vigneux – sur-Seine 91270

Aorian’ny fotoana dia misy fiaraha -misakafo, ho nofon-kena mitam-pihavanana

 

Alim-bavaka 13/12/2024

Alim-bavaka 13/12/2024

Alim-bavaka

JESOA KRISTY, FIAINAN’NY MINO 

 » Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena  » Jao 3/30

Hasaina isika hanatrika ny alim-bavaka ny FIANGONANA, izay hatao ho antsika vahoakan’Andriamanitra tsy hakanavaka, izany dia fotoana hiaonantsika amin’ny Tompo,
ny  Zoma 13 Desambra 2024, amin’ny 8 ora alina any amin’ny Tokatranon’i Andriamatoa Herizo sy Ramatoa Rina ANDRIAMANANTENA, 20 rue des perce-neiges 91270 Vigneux sur Seine 

Concert de Noël 15/12/2024

Concert de Noël 15/12/2024

SAMPANA ANTOKO MPIHIRA 

Manasa antsika hanatrika ny Concert de Noel 2024, izay ho tontosainy izy ireo ny Alahady 15 Desambra 2024 amin’ny 3 ora tolakandro ao amin’ny FPMA Vincennes 15 rue de la Fraternité 

Alim-bavaka 08/11/2024

Alim-bavaka 08/11/2024

Alim-bavaka

 » Jéhovah hanome hery ny olony ; Jéhovah hitahy ny olony amin’ny fiadanana.  » Salamo 29 : 11

Hisy ny Alim-bavaka ny Zoma 08 Novambra 2024 amin’ny 8 ora alina (ao amin’ny efitrano ambany rihana), izany dia Fotoana hiaonantsika amin’ny Tompontsika, izay natao ho antsika vahoakan’Andriamanitra tsy hakanavaka

Alim-bavaka 11/10/2024

Alim-bavaka 11/10/2024

SAMPANA FIFOHAZANA 

Alim-bavaka

 » Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory  » Hebreo 4 : 16

Manasa antsika hiaraka hiombom-bavaka, hangataka fitahina, ary hametraka ny fiainantsika amin’ny alalan’ny ALIM-BAVAKA ny Zoma 11 octobre 2024 amin’ny 8 ora alina , 12 rue Monmory Vincennes , ao amin’ny efitrano ambany rihana