Archives de
Category: Evenement

Evènements

Alim-bavaka 07 jona 2024

Alim-bavaka 07 jona 2024

SAMPANA FIFOHAZANA 

Alim-bavaka

 » Tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka  » Lioka 18:1

Ny sampana fifohazana sy ny sampana antoko mpihira dia manasa antsika hanatrika ny Alim-bavaka izay hatao ny Zoma 07 Jona 2024 amin’ny 8ora alina ao amin’ny efitrano ambany rihana EPDUF Vincennes 

Izany no natao mba hiarahantsika fiangonana mitolona am-bavaka mametraka ny fiainantsika, ny ho avintsika ary ny asa fitoriana miandry antsika eo am-pelatananan’Andriamanitra

Aorinan’ny fotoana dia misy fiarahana miala hetaheta
Maniry ny fahatongavanao

FITSANGATSANGANANA LUNDI 20 MAI 2024

FITSANGATSANGANANA LUNDI 20 MAI 2024

FITSANGATSANGANAN’NY FIANGONANA 

LUNDI DE PENTECÔTE

Alatsinainy 20 mey 2024  manomboka amin’ny 11 ora atoandro

Toerana  :  Etang de Lugny, rue de Lugny – 77550 Moissy-Cramayel

Fandaminana amin’ny sakafo :

Samy mitondra sakafo sy rano fisotro sahaza azy ny isam-pianakaviana hifampizarana eny an-toerana

Efa misy ny fandaminana amin’ny animation sns…

Manentana antsika ho tonga maro satria fotoana hiaraha-mifaly sy hiaraha-mikorana  ho fanamafisana hatrany ny fifankatiavana izany.

FOTOAM-PIVAVAHANA FAFATS 09/05/2024

FOTOAM-PIVAVAHANA FAFATS 09/05/2024

Fotoam-pivavahana FAfAts
Alakamisy 09 May 2024

Miarahaba antsika rehetra amin’ny anaran’ny Tompo

Asaina isika vahoakan’Andriamanitra eto amin’ny Faritany Afovoany Atsinanana hiaraka hidera sy hisaotra an’ Andriamanitra amin’ny fotoam-pivavahana izay tanterahana ny :

Alakamisy 09 may 2024 (Ascension) amin’ny 8 ora sy sasany alina (20h30) amin’ny alalan’ny Zoom

Rohy Zoom :
https://us02web.zoom.us/j/9807667826?pwd=UFhaOWZWbS9RRW5pZm1zK2VWSXNzdz09

ID de réunion : 980 766 7826
C
ode secret : 221441

 Une seule touche sur l’appareil mobile

+33186995831,,9807667826#,,,,*221441# France

+33170372246,,9807667826#,,,,*221441# France

 Indro atolotra antsika ny drafitry ny fandaharana. 
 

Fanamarihana :
Hisy fanomanam-panahy hoan’izay rehetra manana anjara amin’ny fanatanterahana ny fotoam-pivavahana amin’ny 8 ora sy fahefany (20h15). 

 

Alim-bavaka 10 mey 2024

Alim-bavaka 10 mey 2024

SAMPANA FIFOHAZANA 

Alim-bavaka

 » ary ny fiangonana nahery nangataka tamin’Andriamanitra ho  azy  » Asa12/5b

Asaina isika amin’ny alim-bavaky ny fiangonana ny  Zoma 10 Mey 2024  amin’ny  8 ora hariva  , 12 rue Monmory 94300 Vincennes ao amin’ny efitrano ambany rihana 
Ho faly tokoa ny Tompo amin’ny fanatrehanao.

Alim-bavaka 12/04/2024

Alim-bavaka 12/04/2024

SAMPANA FIFOHAZANA 

Alim-bavaka.

Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin’ny zavatra rehetra ; fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo  Aza mamono ny Fanahy : 1 Tesaloniana 5 : 16-19

Ho tanterahana ny  Zoma 12 Aprily  2024 amin’ny 8 ora alina ny alim-bavaky ny fiangonana, izay hiarahantsika mianakavy mametraka eo am-pelatanan’Andriamanitra ny asam-piangonana, ny fiainan-tokatrano sy ny momba antsika tsirairay avy.

Izany dia hiarahan’ny Sampana Tily sy ny Sampana fifohazana ho karakaraina.

Aorinan’ny fotoana dia hiaraka hifampizara nofon-kena mitam-pihavanana isika rehetra.

FOTOAM-PIVAVAHANA FAFATS 14/03/2024

FOTOAM-PIVAVAHANA FAFATS 14/03/2024

Fotoam-pivavahana FAfAts
Alakamisy 14 Martsa 2024

 

Asaina isika vahoakan’Andriamanitra eto amin’ny FAfAts hiaraka hidera sy hisaotra an’ Andriamanitra amin’ny fotoam-pivavahana izay hatao ny :

Alakamisy 14 martsa 2024 amin’ny 20h30

Hitantsika mipaingotra ny drafitry ny fandaharana.

Rohy hanarahana ny fotoam-pivavahana

Participer à la réunion Zoom

https://us02web.zoom.us/j/9807667826?pwd=UFhaOWZWbS9RRW5pZm1zK2VWSXNzdz09

ID de réunion : 980 766 7826

Code secret : 221441

Une seule touche sur l’appareil mobile

+33186995831,,9807667826#,,,,*221441# France

+33170372246,,9807667826#,,,,*221441# France

 

https://mcusercontent.com/328c8589716399d73bfb7f2c8/files/e95a9e43-eafa-78a8-3563-8b86d1a5f6fa/alakamisy_14_martsa_2024_fafats.pdf

 

Mpitandrina Mpandrindra ny FAfAts

Tonian’ny FMM FAfAts

Filohan’ny FAfAts

Alim-bavaka 08/03/2024

Alim-bavaka 08/03/2024

SAMPANA FIFOHAZANA 

Alim-bavaka.

 » Tompo o ! hankany amin’iza moa izahay ? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. » Jaona 6 : 68

Misy alim-bavaka ry havana ny zoma 8 Martsa 2024 eto amin’ny tafo.

Ho tanterahana ao amin’ny efi-trano ambany rihana izany.

Tongava maro fa hiombom-bavaka sy hiaona amin’i Tompo isika !

Alim-bavaka 09/02/2024

Alim-bavaka 09/02/2024

SAMPANA FIFOHAZANA 

Alim-bavaka.

Misy alim-bavaka ry havana ny zoma 9 Febroary izao amin’ny 8 ora hariva eto amin’ny tafo, ao amin’ny efitrano ambany rihana. Koa manasa anao, hiombom-bavaka. Ho faly tokoa ny Tompo amin’ny fanatrehanao ! Tongava maro !