FOTOAM-PIVAVAHANA FAFATS 29/01/2022

FOTOAM-PIVAVAHANA FAFATS 29/01/2022

Hotanterahina ny asabotsy 29 janoary 2022 ny fotoam-pivavahana sy fifampiarahabana amin’ny taona vaovao 2022 eto amin’ny Faritany Afovoany Atsinanana (FAfAts) ka toy izao ny mombamomba izany :
  • Daty : asabotsy 29 janoary 2022
  • Ora : manomboka amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora sy sasany hariva
  • Toerana :  » LE ROCHETON YMCA », Rue de la Forêt, 77000 LA ROCHETTE
  • Fandaharana :
    • 9 ora sy sasany : Fandraisana café sy dité
    • Tapany voalohany :
      • fotoam-pivavahana sy fifampiarahabana
      • fametrahana sy fandraisan-tanana ireo olona mandrafitra ny birao vaovao
      • fiarahabana ireo zokiolona mihoatra ny 75 taona (fisoratana anarana amin’ny filohan’ny Tafo)
    • Tapany faharoa : Fiarahana misakafo hafanain’ny sampana iraisana 5 eto amin’ny FAfAts
    • Tapany fahatelo : Fiarahana misakafo hafanain’ny  tafo 9 eto anivon’ny
  • Fandaminana :
    • Tsy maintsy manaja ireo fepetra hampiharina amin’ny hamehana ara-pahasalamana  isika : 
      • « Test PCR moins de 48h  na pass sanitaire valide ». Haseho izany eo ampidirana ary homena marika fa voatily
      • Mampiasa tampim-bava any ivelany sy ao anaty trano
      • Hisy ny gel hydroalcoolique ampiasaina eny an-toerana
    • Hisy sakafo atoandro amin’ny vidiny mirary : 10 €. Alefa aoriana kely ny fisoratana anarana
    • Ny Tafo FPMA Vincennes no mitondra ny lamba latabatra sy ny veram-pandraisana
    • Mitendry ireo hira : SZM FAfAts
    • Mandray anjara amin’ny litorjia : SSA, STK ary AMF FAfAts
    • Hisy varotra fampisehoana hiantsoana ireo mpandraharaha na mpanao asa soa ho an’i Madagasikara na mikasika an’i Madagasikara ka te hampirenty sy hivarotra ny sangan’asany. Mila miantso ny laharana 06.85.37.69.36 hahazoana mahafantatra ny fomba fandraisana anjara.
Ny asa rehetra dia apetraka eo ambanin’ny fitantanan’ny Tompo. 
Les commentaires sont clos.