FANASANA FAFATS 29/01/2022

FANASANA FAFATS 29/01/2022

Fotoam-pivavahana FAfAts sy fiaraha-misakafo  Asabotsy 29 janoary 2022

Ho fanamafisana ny vaovao efa nambara tamintsika dia manentana antsika ho tonga maro amin’ny hetsika iombonana eto amin’ny Faritany Afovoany Atsinanana amin’ny asabotsy 29 janoary ho avy izao:

– Fotoam-pivavahana FAfAts sady  fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 
– Fotoana hametrahana sy hitondrana am-bavaka ireo birao vaovao FAfAts
– Fotoana hanateram-bokatra eto amin’ny Faritany
– Fiaraha-misakafo agape hafanain’ireo Sampana iraisana 5 sy Tafo 9
eto amin’ny FafAts

Toy izao ny andinindininy :

Andro: Asabotsy 29 janoary 2022
amin’ny 10 ora ka hatramin’ny 5 ora sy sasany hariva
Toerana : LE ROCHETON YMCA
Rue de la Fôret – 77000 La Rochette

Fandaharam-potoana :

09 ora sy sasany maraina : Fandraisan’olona sy sakafo maraina
10 ora maraina : Fanompoam-pivavahana:
– Mitarika : Pasteur Théodore RANDRIAMANANTENA
– Mitoriteny : Dr Rev Pasteur Seth
RASOLONDRAIBE Seth
– Misy fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ary misy rakitra anatin’ny fandraisana
– Fanateram-bokatra (Rakitra)
12 ora 30 : Fifampiarahabana nahatratra ny taona
1 ora 15 : Fanomanana ny fiaraha-misakafo
1 ora 30 : Fanapahana ny mofomamy.

Fiaraha-misakafo agape hafanain’ireo Sampana iraisana 5 sy Tafo 9
eto amin’ny FafAts
Filaharana ny amin’ny hetsika :
– Sekoly alahady
– Tanora Kristianina
– Vehivavy Kristianina
– AMF
– SZM
– Fifohazana
– FPMA Evry fitiavana
– FPMA Fihobiana Paris
– FPMA Grand champs
– FPMA Orléans
– FPMA Port Royal Arago
– FPMA Melun
– FPMA Vatofehizoro
– FPMA Vincennes
– FPMA Yvelines fahazavana
5 ora sy sasany hariva : Vavaka famaranana sy Firavana

Fandraisan’anjara sakafo atoandro : 10€ isan’olona

Mila misoratra anarana aty amin’ny Biraon’ny fiangonana farafahatarany ny zoma 28 janoary 2022 amin’ny 8 ora alina ireo izay handeha hahafahana mamandrika ny sakafo
Raha misy manana olana ara-pitaterana dia miangavy hilaza amin’ny Birao.

Arahina antsakany sy andavany ny fitsipika mifehy ara-pahasalamana (masque, gel hydroalcoolique), ary hisy ny fijerena ny pass sanitaire eny an-toerana.

Manantena ny fahatongavantsika mari satria io ihany no hetsika iombonana karakarain’ny FAfAts amin’ny taona.

Fiadanana.

Ny Birao

 

Les commentaires sont clos.