Alim-bavaka zoma 20/01/2023

Alim-bavaka zoma 20/01/2023

« Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. Ary hitady
Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin’ny fonareo rehetra. »

Jeremia 29 : 12-13

Am-pifaliana ry havana no anasana antsika hiombona amin’ny alim-bavaka izay atao amin’ny takariva ny Zoma 20 Janoary 2023 amin’ny 7 ora hariva eto amin’ny Tafo Vincennes ka atao ao amin’ny efi-trano ambany rihana.

Samia mivimbina sakafo kely hifampizarana ho nofon-kena mitam-pihavanana.

Ho faly tokoa ny Tompo amin’ny fanatrehanao.

Maniry hatrany ny fiadanan’ny Tompo hitoetra eo amin’ny tsirairay.

One thought on “Alim-bavaka zoma 20/01/2023

Les commentaires sont clos.

Les commentaires sont clos.