Archives de
Category: Evenement

Evènements

Fifampiarahabana FAFATS

Fifampiarahabana FAFATS

FIFAMPIARAHABANA NAHATRATRY NY TAONA 2023 FAfAts

Ry havana,

Hampitomboina aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ilay Andriamanitra lohan’ny fiangonana.
Araky ny resaka nifanaovana teo amin’ny komitim-paritany dia hampitaiko amintsika ny « flyer » fifampiarahabana nahatratry ny taona vaovao 2023 eto amin’ny faritany avovoany atsinanana na FAfAts ka hanasana antsika mpianakavin’ny finoana rehetra .

Ny andro dia ny 14 janvier 2023 manomboka amin’ny 10 ora maraina ny fandraisana.
Ny fotoam-pivavahana dia hanomboka amin’ny 10 ora sy sasany.
Ny FMM FAfAts no handrindra sy handamina ny fotoam-pivavahana.
Hisy fandraisana ny fanasan’ny Tompo isika amin’io fotoana io.
Hisy ihany koa ny fanaovana rakitra faharoa. Izay omen’ny Tompo amin’izany rakitra faharoa izany dia hatolotra manontolo an’i Pasitera RANDRIANANDRASANA Emma Claudine IZAY HANDEHA HISOTRO RONONO rehefa nahavita be teto anivon’ny FAfAts sy ny FPMA.
Rehefa izany fankalazana an’Andriamanitra izany dia hiara-paly sy hiaraka-hisakafo isika.

Ny fandraisana anjara amin’izany sakafo izany dia mirary dia mirary amin’izao vanin’andro sarotra hiainantsika izao satria dia ho 10 €. Ny fiangaviana dia ny hisoratanareo anarana eny amin’ny filohan’ny tafo misy anareo tsirairay satria ho voafetra ny sakafo sy ny toerana hisy antsika (150 personnes).

10 euros : Vary sy laoka : canard au poivre vert de Madagascar et Thym .
Ny FAfAts dia hanolotra dessert sy mofomamy ho antsika Ny fotoana hirahanatsika.

Dia ho hafanan’ireo tafo 9 sy sampana iraisana 5 eto anivon’ny faritany afovoany atsinanana.

Hatramin’ny 04 ora hariva isika no hiaraka hikorana sy hifaly ao amin’ny 47 rue Dulong. 75017 Paris.

Manantena ny fanotronantsika sy ny fiarahana misalahy sy ny fanehoam-pitiavana avy amin’ny Tompo amin’izany fotoana izany.

Amin’ny anaran’ny biraon’ny faritany

Pasitera RANDRIAMANANTENA Théodore Raphaël
Pasitera ANDRIALAMPISON Zaranaina
Mpitandrina mpandrindra ny FAfAts
RABE Edson
Filohan’ny FAfAts

FANASANA FAFATS 29/01/2022

FANASANA FAFATS 29/01/2022

Fotoam-pivavahana FAfAts sy fiaraha-misakafo  Asabotsy 29 janoary 2022

Ho fanamafisana ny vaovao efa nambara tamintsika dia manentana antsika ho tonga maro amin’ny hetsika iombonana eto amin’ny Faritany Afovoany Atsinanana amin’ny asabotsy 29 janoary ho avy izao:

– Fotoam-pivavahana FAfAts sady  fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 
– Fotoana hametrahana sy hitondrana am-bavaka ireo birao vaovao FAfAts
– Fotoana hanateram-bokatra eto amin’ny Faritany
– Fiaraha-misakafo agape hafanain’ireo Sampana iraisana 5 sy Tafo 9
eto amin’ny FafAts

Toy izao ny andinindininy :

Andro: Asabotsy 29 janoary 2022
amin’ny 10 ora ka hatramin’ny 5 ora sy sasany hariva
Toerana : LE ROCHETON YMCA
Rue de la Fôret – 77000 La Rochette

Fandaharam-potoana :

09 ora sy sasany maraina : Fandraisan’olona sy sakafo maraina
10 ora maraina : Fanompoam-pivavahana:
– Mitarika : Pasteur Théodore RANDRIAMANANTENA
– Mitoriteny : Dr Rev Pasteur Seth
RASOLONDRAIBE Seth
– Misy fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ary misy rakitra anatin’ny fandraisana
– Fanateram-bokatra (Rakitra)
12 ora 30 : Fifampiarahabana nahatratra ny taona
1 ora 15 : Fanomanana ny fiaraha-misakafo
1 ora 30 : Fanapahana ny mofomamy.

Fiaraha-misakafo agape hafanain’ireo Sampana iraisana 5 sy Tafo 9
eto amin’ny FafAts
Filaharana ny amin’ny hetsika :
– Sekoly alahady
– Tanora Kristianina
– Vehivavy Kristianina
– AMF
– SZM
– Fifohazana
– FPMA Evry fitiavana
– FPMA Fihobiana Paris
– FPMA Grand champs
– FPMA Orléans
– FPMA Port Royal Arago
– FPMA Melun
– FPMA Vatofehizoro
– FPMA Vincennes
– FPMA Yvelines fahazavana
5 ora sy sasany hariva : Vavaka famaranana sy Firavana

Fandraisan’anjara sakafo atoandro : 10€ isan’olona

Mila misoratra anarana aty amin’ny Biraon’ny fiangonana farafahatarany ny zoma 28 janoary 2022 amin’ny 8 ora alina ireo izay handeha hahafahana mamandrika ny sakafo
Raha misy manana olana ara-pitaterana dia miangavy hilaza amin’ny Birao.

Arahina antsakany sy andavany ny fitsipika mifehy ara-pahasalamana (masque, gel hydroalcoolique), ary hisy ny fijerena ny pass sanitaire eny an-toerana.

Manantena ny fahatongavantsika mari satria io ihany no hetsika iombonana karakarain’ny FAfAts amin’ny taona.

Fiadanana.

Ny Birao

 

FOTOAM-PIVAVAHANA FAFATS 29/01/2022

FOTOAM-PIVAVAHANA FAFATS 29/01/2022

Hotanterahina ny asabotsy 29 janoary 2022 ny fotoam-pivavahana sy fifampiarahabana amin’ny taona vaovao 2022 eto amin’ny Faritany Afovoany Atsinanana (FAfAts) ka toy izao ny mombamomba izany :
  • Daty : asabotsy 29 janoary 2022
  • Ora : manomboka amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora sy sasany hariva
  • Toerana :  » LE ROCHETON YMCA », Rue de la Forêt, 77000 LA ROCHETTE
  • Fandaharana :
    • 9 ora sy sasany : Fandraisana café sy dité
    • Tapany voalohany :
      • fotoam-pivavahana sy fifampiarahabana
      • fametrahana sy fandraisan-tanana ireo olona mandrafitra ny birao vaovao
      • fiarahabana ireo zokiolona mihoatra ny 75 taona (fisoratana anarana amin’ny filohan’ny Tafo)
    • Tapany faharoa : Fiarahana misakafo hafanain’ny sampana iraisana 5 eto amin’ny FAfAts
    • Tapany fahatelo : Fiarahana misakafo hafanain’ny  tafo 9 eto anivon’ny
  • Fandaminana :
    • Tsy maintsy manaja ireo fepetra hampiharina amin’ny hamehana ara-pahasalamana  isika : 
      • « Test PCR moins de 48h  na pass sanitaire valide ». Haseho izany eo ampidirana ary homena marika fa voatily
      • Mampiasa tampim-bava any ivelany sy ao anaty trano
      • Hisy ny gel hydroalcoolique ampiasaina eny an-toerana
    • Hisy sakafo atoandro amin’ny vidiny mirary : 10 €. Alefa aoriana kely ny fisoratana anarana
    • Ny Tafo FPMA Vincennes no mitondra ny lamba latabatra sy ny veram-pandraisana
    • Mitendry ireo hira : SZM FAfAts
    • Mandray anjara amin’ny litorjia : SSA, STK ary AMF FAfAts
    • Hisy varotra fampisehoana hiantsoana ireo mpandraharaha na mpanao asa soa ho an’i Madagasikara na mikasika an’i Madagasikara ka te hampirenty sy hivarotra ny sangan’asany. Mila miantso ny laharana 06.85.37.69.36 hahazoana mahafantatra ny fomba fandraisana anjara.
Ny asa rehetra dia apetraka eo ambanin’ny fitantanan’ny Tompo. 
FANKALAZANA FAHAFOLO TAONA

FANKALAZANA FAHAFOLO TAONA

FITSANGATSANGANANA 26/06/2021

FITSANGATSANGANANA 26/06/2021

RECENSEMENT 2021

RECENSEMENT 2021

CONCERT SZM FAFATS

CONCERT SZM FAFATS